skip to Main Content
sdr

Madagasikara Maitso: Ny fanatontosan’ny CNARP

Tontosa teto anivon’ny CNARP ny Zoma 13 Martsa 2020 lasa teo ny fambolen-kazo sy zava-maniry izay nifandrimbonan’ny mpiara-miasa rehetra. Roan-jato mahery ny isan’ny zana-kazo novolena ka ahitana karazany folo roa amby (12). Novolena amin’ny zaridaina miendrika sarin-tanin’i Madagasikara ireo zana-kazo na zava-maniry ireo ary notsinjaraina eo amin’ny faritra ahitana azy manerana ny Nosy. Hita ao avokoa na ny hazo maniry anaty ala mando, na ala an-tampokavoana na ireo anaty ala maina sy tsiloina. Manaraka ny fenitry ny fambolen-kazo ny fanatanterahana izany izay nanomboka tamin’ny fiasana lavaka, ny fanasiana zezika ny lavaka tsirairay, ny fanondrahana ny zana-kazo voavoly ka hatramin’ny fanaraha-maso azy ireo. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fialam-boly niarahan’ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny CNARP ny tontolo andro.

Back To Top